Tsy fifandanjan’ny Faritra sy foibe
Olana iray ara-pampandrosoana ny tsy fitoviana na tsy fifandanjana misy eo amin’ny faritra samihafa, ary ny fanjakana foibe no voakiana amin’izany. Rehefa miresaka hoe « foibe » anefa dia mifangaro ny fanjakana sy ny « renivohitra » ary ny « mponina ao manoloana ny mponin’ny faritra ». Io fifangaroana io no mahatonga ny resabe amin’ny fandaminana politika tiana hatao : ny « centralisme » sy ny « féderalisme ». Rafitra ara-politika mahakasika ny « vondrom-bahoaka » no resahana, nefa ilay fifamatoran’ny « firaisam-pirenena sy ny fanjakana foibe » no voatohintohina.
Ilay tsy fitoviana sy tsy fifandanjana isam-paritra izany dia niampita amina resaka politika ranofotsiny ; ary ny politika resahana dia ilay tantara tsy levona navelan’ny mpanjanaka manoloana ireo fanjakana kely isam-paritra. Amin’ireny fanjakana ireny anefa dia tokony hojerena izay niroso tamin’ny fanorenana firenena mifamatotra amin’ny fanjakana politika. Satria mbola mijanona hatrany ny tsy fifandanjana isam-paritra noho ny fanjakana sasany nijanona tamin’ny fandaminana ara-piarahamonina amin’ny alalan’ny fomban-drazany fotsiny, fa tsy nanana fandaminana ara-politika sy ara-pampiraisana fomba ho rafi-panjakana mahenika firenena.
Inoana fa tsy diso ny filazana fa mifono ireo zavatra samihafa ireo ny resaka fampandrian-tany nataon’i Gallieni sy ny fiafarany amin’ny fananganana repoblika (1958-1960). Nifamatotra araka izany ny fametrahana faritany enina ho fitsinjaram-pahefana sy rafitra ara-toe-karena. Faritany samy nanana ny maha izy azy ara-pamokarana saingy potiky ny rafitra sosialista sy ny fitantanana ara-ideolojika fotsiny.
Nanomboka ny taona 1975 vao nihanahazo laka sy nihalalina araka izany ny hantsana nampibaribary ny tsy fitoviana isam-paritra satria potika ara-toe-karena ny faritra samihafa (fiompiana, fambolena, fanondranana, varotra, famokarana…). Ireo orinasa noheverina fa antoky ny fampandrosoana dia nanjary « éléphants blancs » daholo. Io lova politika nandrava fihariana io no nolovan’ny antoko ka mampisavorovoro ny adihevitra. Fifanarahana ara-politika ve no manala tsy fitoviana isam-paritra ?
Ny iraisam-pirenena manao tian-kano tsy tian-kano
Rehefa miresaka iraisam-pirenena dia ny vondron-tany misy antsika aty Afrika no maresaka. Ilay vondron-tany anefa mbola baikoin’ny rafitra teraky ny politika samihafa te hanjaka amin’ny fifandraisan’ny samy firenena.
I Afrika Atsimo dia sady SADC no BRICS. Ary amin’ity farany dia mpanorina manana ny toerany amin’ity vondrona vaovao ity. Ny SADC anefa dia teraka tamin’ny firoboroboan’ny fanatontoloana niompana amin’ny fandaminana ny politikan’ny fifanakalozana ara-barotra. Ny fanalalahana ny fivezivezen’ny entana sy ny olona ho an’ny iray vondrona no filamatra araka ny fenitry ny fanalalahana ekonomika tiana hampanjakaina. Ohatra, fanafoanana haba na fadin-tseranana, na izay mety sakana samihafa. Koa raha mitaky fiverenana amin’ny lalàm-panorenana sy ny demokrasian’ny fifidianana ny iraisam-pirenena dia mbola misy tanan’ny mpamatsy vola ao.
Koa satria fitondrana voasazy sy tsy mahazo fankatoavana dia niverin-dalana indray ny mpitondra ka dia manao tsy omby aloha amin’ny fepetran’ny iraisam-pirenena. I Afrika Atsimo no afaka manao roa lela sady manery antsika hanaraka ny baikon’ny mpamatsy vola, no mampanantena ny hidirana BRICS. Ny mpitondra moa tampi-dalan-kaleha ka dia manaiky ho teren’ny mpamatsy vola.
Tsy mandinika vahaolana fa manaraka baiko
Ny fahantran’ny firenena hatreto dia vokatry ny fiankinan-doha amin’ny hevitra volavolain’ny any ivelany fa tsy mamaha ny olan’ny firenena ato anatiny. Ny politikan’ny fanalalahana eran-tany noho ny fanatontoloana tsy nahomby dia nampibaby trosa ny firenena. Ny fiverenan’ny resaka solika manjary fifandroritan’ny mpandraharaha sy fanjakana dia nateraky ny PAS (Programme d’Ajustement Strucutrel) sy ny fisintahan’ny fanjakana tamin’izany. Manjary olan’ny JIRAMA sy ny vahoaka.
Koa raha miresaka rafitra simba isika dia izany rehetra izany no nanosika tsikelikely ny firenena anaty lavaka. Izao anefa isika mbola manara-drenirano sy tsy manana hazon-damosina fa mihazakazaka mitety onja hitady vahaolana. Toy ny hoe « avy any ivelany ny famonjena ». Fihetsiketsehana no be. « Dialogue politique » e ! fikaonan-doha e ! fifampiresahana e ! fiverenana amin’ny lalam-panorenena e ! fanavaozana e ! fa ireny rehetra ireny dia sarimihetsika hanjambena ny maso. Tsy mifaka amin’ny tena olana sy vahaolana.
Mbola tsy ho tafavoaka ny ala isika fa voafatotry ny PAS sy ny fepetran’ny mpamatsy vola hatrany (FMI, BM sy ny firenena matanjaka). Ka na ho SADC na ho BRCS dia Ankatso sy Ambohidempona ihany. Ny rafitra tsy miova ny fanavaozana valala an-danitra. I Amerika aza sahirana amin’ny fiarovana ny tanjany sy ny dolarany amin’ny resaka solika.
Wait and see !