NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY
Horizons spirituels Monde - Vatican Madagascar Encycliques / Lettres

Tanora Masina Itaosy : 35 taona.

Ny hira no fitaovana, i Kristy no hafatra !

Hanitra | 27 OCT 2026
Nanakoako tao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ireo hira fiderana ankafizan’ny olona ny antoko mpihira Tanora Masina Itaosy na TMI, ny alahady 25 oktobra teo. Nentina nanamarihana ny ivon’ny fankalazana ny faha 35 taona nijoroan’ny tarika ity fampisehoana lehibe niarahana tamin’ny mpijery ity.

Nahatratra hatrany amin’ny 20.000 isa ireo tonga nanohina ny antson’ny tarika tamin’izany fampisehoana izany, ary nilamina sy nirindra tsara avokoa na ny fidirana na ny fivoahana na ny tao anatin’ny kianja.  Tsy hoe mpijery fampisehoana fotsiny ihany moa ireo olona marobe ireo, na mijanona ho mpankafy fa mpandray toriteny an-kira. “Izy no torinay”, Kol:1-28a, io no teny faneva manentana ny fankalazana ity tsingerin-taona faha 35-n’ny TMI ity. Tonga nanotrona ireto tanora ao amin’ny antoko mpihiran’ny FLM Ambohimasina Itaosy ireto ny antoko mpihira nasain’izy ireo, avy amin’ny EKAR sy FJKM. Nisy koa ny fandraisana anjaran’ireo mpanakanto ara-pilazantsara. Nahitana ny Ventsonkira, tarika Antsa an’i Kristy, Jajà, Hasim-piderana, Rojo Ny Avo, Mialy Rakotomamonjy. Nihira tao an-toerana, vahiny tsy nampoizina i Noely kely izay andrarezin’ny mozika malagasy. Nihorakora-pifaliana ny mpijery ny seho teo am-piakarany an-tsehatra.

Hira mitondra hafatra

Manana hira marobe mandona fo sy mahakasika ny ati-fanahin’izay mandre ny TMI. Mitory an’i Kristy an-kira, mitondra am-bavaka ny firenena, manentana amin’ny fialana amin’ny fomba ratsy, toa ny hira “Rakolikoly” izay mampisaintsaina. Mampahatsiahy fa ny kolikoly dia tsy zavatra tokony ho ekena, fa mitondra fahasimbana amin'ny firenena sy ny fiarahamonina. Maha rambony an’i Madagasikara. Araka ny tonon-kira, te hitarika ny kristianina sy ny mpanompon'Andriamanitra mba ho lohalaharana amin'ny fahatsorana sy ny fahitsiana ny Tanora Masina Itaosy, fa tsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny fomba ratsin'izao tontolo izao. Hoy ny tononkira : “zavatra iray tena mahavariana no indro lazaiko anao
Tsy hoe fitiavana hanakihana no anambarako izao. F'efa lasa fomba fanao, tsy mahamenatra intsony izao
Mpanompon'Andriamanitra aza dia lasa koa mba manao. Ny voninahitra sy ny vola no anton-drakolikoly
Ka na ny tanora na ny efa sola dia be no saribakoly. Fa ianao raha hanao raharaha, tsisy vola dia andeha mialà.
Tanteraka mihitsy izao hoe ny vola no maha rangahy. Maro ireo izay mivelona e, amin'ny volana kolikoly
Fiainana mankalaza ny devoly
Raha toa ka fangalarana e, tsy mitondra mankaiza anie. Fa manosika anao anaty afobe. Isika izay mino izao no tokony mba ho fitaratra. Fa tsy isika indray no ho mpangalatra. Ka andao re mba hitsangana hanafoana izany
Fa ny Tompo no hanasa antsika amin'ny ràny (Mba tsy ho rambony intsony isika eto an-tany)”

Misy koa ireo hira fiderana izay noforonina hankahery, hampibebaka, hamelona fanantenana. Amin’ny fotoana rehetra, araka izany, dia mitory an’i Kristy Vaovao Mahafaly ireto tanora manan-talenta amin’ny hira sy ny dihy ary ny fitendrena zava-maneno ireto. Ny raki-kira faha 11 no ho tsangam-baton’ny fankalazana ny faha 35 taonan'izy ireo, havoaka any amin’ny famaranana. Tsy fankalazana ivon’ny tsingerintaona fotsiny iny fotoana niarahana tamin’ny Tanora Masina Itaosy tao amin’ny kianja Barea iny, fa fanambarana ny fitohizan’ny iraka, koa mirary azy ireo hahavita be sy hanao ny tsara kokoa hatrany.


Dans la meme rubrique

▶ Ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra narafitry ny olombelona an-tsoratra
▶ Ny hira no fitaovana, i Kristy no hafatra !

Feon'ny Lakroa




Mentions Légales | © Lakroa Media 2026