NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY
Brèves Articles

Fiainan'ny mponina

Olona am-polony maro no maty any Ifanadiana

Rasolo | 21 SEP 2026
Ny zava-nitranga tany Ikongo no tsaroana avy hatrany raha vao mandre fa misy olona am-polony maro no maty noho ny valanaretina mitranga. Olona am-polony maro no maty nandritra ny enim-bolana voalohany ny taona 2025. Efa ny tambajotra teo amin’ny Facebook no nanaitra ny minisitera tamin’izany. Dia mbola io fa niverina indray ny loza mitovy

Ny fiandohan’ny tapaky ny volana septambra 2026 no nanaitra ny rehetra i Manantena Hajanirina Dinah, depioten’ny ao Ifanadiana, fa misy zaza am-polony no maty. Valanaretina no mitarika izao fahafatesana izao. Eo anatrehan’izany dia miantso ny minisitera tompon’andraikitry ny fahasalamam-bahoaka ity solombavambahoaka ity. Fasintsara sy Ampasinambo ary Maroharatra ao Ifanadiana no kaominina voalaza fa ahitana io valanaretina mahafaty io. « Zaza sy ankizy hatramin’ny 16 taona no tena voakasika », hoy ny solombavambahoaka.

Fantatra fa nanao tatitra ny sampan-draharaha eny ifotony. Miaiky tokoa ny minisitera fa nandefa tatitra ny sampan-draharaha eny ifotony. « Araka ny tatitra voaray teny ifotony, dia 18 ny fahafatesana voarakitra tao Fasintsara, raha 18 kosa tao Ampasinambo » araka ny fanamarihana nataon’ny minisitera eo amin’ny pejiny ao amin’ny Facebook. Nomarihany fa 14 tamin’ireo 18 maty tao Ampasinambo dia maty teny anivon’ny fiarahamonina ary ny efatra dia maty tao amin’ny tobim-pahasalamana. Fanamarihana toa milaza fa tsy tompon’andraikitra tamin’ny 14 maty ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fahasalamana.

Ny 19 septambra no nanao be midina ny minisitera. Ny minisitra no nitarika ny iraka tamin’izany. « Hatreto dia mbola tsy azo faritana ho aretina tokana ny anton’ireo fahafatesana, ary voalaza ihany koa ny fisian’ny aretina miara-miseho sy ny tsy fampian-tsakafo amin’ireo tranga sasantsasany » hoy ny minisitera. Tahaka ny fanao amin’ny iraka tahaka izao dia maka singa ny iraka. Mandefa ny singa hita tany an-toerana any amin’ny IPM na Institut Pasteur de Madagascar.

Milaza ny minisitera fa ekipa marolafy no tonga nanampy ny ao an-toerana. Ahitana mpiasan'ny fahasalamana sy teknisiana avy amin’ny sampan-draharaha samihafa ary ny mpiara-miombon’antoka. Ekipa ara-pahasalama manana traikefa. Ahitana mpitsabo manam-pahaizana manokana. Anisan'izany ny "pédiatres", no midina eny an-kianja. Nitondra sy nanampy ny fanafody, handray an-tanana ireo tranga mafy ary hanara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalama io ekipa io.

Lesoka tsapa

Raha mamaky ny tatitry ny minisitera dia tsapa fa maivana ny fankaherezana ny mpiasan’ny fahasalamam-bahoaka miasa any ifotony. Tsy nisy ihany koa ny fihainoana an’ireo olom-boafidy ben’ny tanàna sy ireo sefom-pokontany. Tsy mba nisy koa ny fifampiresahana amin’ireo olobe na tangalamena na ny mitovy amin’izany eny an-toerana.

Manaitra ihany kosa raha ny sary nasehon’ny minisitera mitatitra ny fisian’ny iraka tany an-toerana. Teo amin’ny toerana natokana ho an’ny tera-bao (salle des accouchées) no manao fitiliana sy fitsaboana ireo iraka. Misy olona maro mitangorona eo. Sa ve tsy nisy tera-bao tamin’io fotoana io ?

Ny banga asehon’izao tranga izao dia tsy nisy izany lesona noraisina tamin’ireo olona efa ho 100 maty tany Ikongo tamin’ny taona lasa. Marina fa nisy fiovana teo amin’ny fitantanana ny firenena fa tokony mipetraka hatrany ny fitohizan’ny asa sy andraikitra (continuité de l’Etat) eo anivon’ny minisitera.

Hita ihany koa ny lesoka eo amin’ny tsy fampiasana ny mpampaneno lakolosy. Toa milaza fa ny resaka politika ihany no tena ilofosan’izy ireo sy iantsoana azy ireo. Nankaiza kosa ny fiarahamonim-pirenena ?

Mitaky

Isan’ny takiana ny famakafakana ahitana izany lesoka amin’ny fomba fiasa izany. Ohatra, fampitoviana ny zava-nisy tany Ikongo sy ity tao Ifanadiana ity. Ilàna fandraisana fepetra hentitra raha misy tandrevaka. Ny zava-misy tahaka izao dia mitaky fametrahana rafitra mpanara-maso mavitrika (cellule de veille opérationnelle et permanente).

Misy izany vanim-potoana ahitana ny aretina heverina ho tsotra mivadika ho valanaretina mamono olona marefo am-polony maro. Isan’ny fotoana tokony hiasan’io rafitra mpitily io ny vanim-potoana anaovana famadihana. Isan’ny fotoana ahitana valanaretina ihany koa io.


Dans la meme rubrique

▶ La balade du prédateur heureux
▶ Fikaonan-doham-pirenena sy dinika ho an’ny fifidianana
▶ Fidiran’ny mpianatra 2026 – 2027
▶ Importation de riz et information
▶ FC Rouge s’arrête et CFFA continue
▶ Mitandrina amin'ny fampiasana
▶ Ho any New York ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika
▶ ‎Fahadiovan'ny helika
▶ Tsy maintsy hanadinana amin’ny Bepc ny Taranja Anglisy
▶ 17 septembre : Une commémoration en mode cacophonie
▶ Azo eritreretina ve ny hisian’ny taksibe natokana ho an’ny mpianatra?
▶ Efa miasa ny Gara Amoronankona
▶ Mandry fahalemana ve ny tanàna ?
▶ Les silences révélateurs du PAN
▶ La FMF clôt le dossier Boucher
▶ Amoronakona sy ny ambaran’ny anarany
▶ Olona am-polony maro no maty any Ifanadiana
▶ Mbola avy any Ifanadiana ihany
▶ Ahetsiketseho ny vatana
▶ Tsy mampisondrotra ny fahazarana mividy zavatra amoron-dalana
▶ Andro tsy hiasana ny 25 septambra 2026
▶ Affaire Boeing 777 : renvoi de l’affaire au 27 octobre
▶ Lavo i Maître Kira
▶ Fihaonan’ny FFRM sy ny diaspora any Amerika Avaratra
▶ Resy 1-2 ny Barea
▶ RDB : 30 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanasoavana ny fiarahamonina
▶ Histoire des 49 Indonésiens, lue dans la presse
▶ Delta Force et le démantèlement d’un réseau de tricheurs
▶ Fanazavana momba ny Delta Force
▶ Déballage par Haingo Ravatomanga
▶ L'Haltérophilie au firmament
▶ Tsiahin’ny fanambaran’ny miaramila ny 11 oktobra 2025
▶ Trois judokates avec un parcours éclair.
▶ Cadeau d’anniversaire : Mamy Ravatomanga reste en prison.
▶ Manome fahafaham-po ny mpanjifa
▶ Miara-miomana amin’ny loza mety hitranga Ambatovy sy ny BNGRC
▶ Un milliard ariary de dommages et intérêts et 4 ans de prison
▶ Extradition de Vida Loca vers Madagascar
▶ Macky Sall retire sa candidature
▶ Zigle grand absent au mondial de Pétanque 2026
▶ Brouhaha et interférences médiatiques
▶ Au Brésil, Lula sort vainqueur sur le fil
▶ Enfin les Malagasy, amateurs de foot, exultent
▶ King Harry et Queen Alexia sur le trône.
▶ Comprendre le vote du Ballon d’Or
▶ Benyamin Netanyahou viré ?
▶ On ne badine pas avec Mao
▶ Russie-Afrique : les grandes lignes de ce troisième sommet
▶ Troisième transfert ver la Chine, de Chinois condamnés
▶ JOJ 2026 : première historique en Afrique
▶ Un soupçon de chinoiserie
▶ Que rapporte le PRRM de Moscou ?
▶ Consultation nationale en vue de la préparation des élections : discours divergents
▶ Ireo fanapahan-kevitra nolaniana tamin'ny dinika fanomanana ny fifidianana, ny 9 sy 10 novambra 2026
▶ Les différents pays organisant un sommet avec l'Afrique
▶ Le mondoraid du PRRM
▶ Mamy Ravatomanga effectue une énième tentative

Feon'ny Lakroa




Mentions Légales | © Lakroa Media 2026