✅ FANAPAHAN-KEVITRA 01
Safidy telo no napetraka :
1. Fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny Lalàmpanorenana (tsy voalaza na tokana na maro no haroso).
2. Fifidianana filoham-pirenena.
3. Fifidianana hatomboka amin’ny Rafitra ifotony
Lany : Fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny Lalàmpanorenana no fifidianana hirosoana voalohany.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 02
Fotoana hanaikana ny mpifidy 1. 90 andro – 2. 120 andro
Didim-panjakana raisina 90 andro mialohan’ny andron’ny latsabato.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 03
Mikasika ny lisitra ampiasaina mandritra ny fifidianana
Safidy naseho ho dinihana :
Safidy 1 : Lisitry ny mpifidy ho faranana ny 25 aprily 2027
Safidy 2 : Misokatra ny lisitry ny mpifidy ary faranana tanteraka 60 andro mialohan’ny latsabato
➯ Misokatra ny lisitry ny mpifidy ary faranana tanteraka 60 andro mialohan’ny latsabato.
Safidy 3 : Foanana ny fahafahana manao fanitsiana amin’ny alalan’ny didim-pitsarana aorian’ny famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy (valiny andrasana Eny sa Tsia).
➯ ENY : Foanana ny fahafahana manao fanitsiana amin’ny alalan’ny didim-pitsarana aorian’ny famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 04
Famoahana ny lisitry ny mpifidy sy fanamarinana ataon’ny mpifidy
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : Apetraka eny amin’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy, ary alefa amin’ny aterineto (internet)
Safidy 2 : atao peta-drindrina any amin’ny fokontany ny lisitra
Safidy 3 : Vakiana ampahibemaso ao amin’ny fivoriambem-pokonolona ny lisitry ny mpifidy
➯ Apetraka eny amin’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy, ho vakiana ampahibemaso eo amin’ny Fivoriambem-pokonolona, atao peta-drindrina ary halefa amin’ny aterineto.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 05
Fandraisana anjara amin’ny fampahafantarana ny volavolan-dalàmpanorenana (vulgarisation)
Safidy naseho ho dinihina :
Safidy 1 : Andraikitry ny rafi-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena ary ny antoko politika
Safidy 2 : Andraikitry ny rafi-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena
➯ Andraikitry ny rafi-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena ary ny antoko politika ny fandraisana anjara amin’ny fampahafantarana ny volavolan-dalampanorenana.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 06
Fandraisana anjara amin’ny fampielezan-kevitra
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny firaisamonim-pirenena
Safidy 2 : Tsy mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny firaisamonim-pirenena
➯ Tsy mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny firaisamonim-pirenena.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 07
Isan’ny komity mpanohana
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : Iray isaky ny safidy
Safidy 2 : Telo (3) raha betsaka indrindra isaky ny safidy ny isan’ny komity mpanohana.
➯ Telo (3) raha betsaka indrindra isaky ny safidy ny isan’ny komity mpanohana.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 08
Fampiasana fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : Mijanona amin’ny lalàna ankehitriny : toerana, fiara, fanaka
Safidy 2 : Hamafisina ny lalàna famaizana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovam-panjakana sy fampiharana ireo sazy.
➯ Hamafisina ny lalàna famaizana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovam-panjakana sy fampiharana ireo sazy.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 09-A
Fandraisana anjaran’ny mpiasam-panjakana tsotra amin’ny fampielezan-kevitra
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : Tazomina ny lalàna manan-kery
Safidy 2 : Tsy mandray anjara ny mpiasam-panjakana rehetra na inona na inona antony
➯ Mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny mpiasam-panjakana tsotra.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 09-B
Fandraisana anjaran’ny mpiasam-panjakana ambony amin’ny fampielezan-kevitra
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : Mijanona amin’izay voalazan’ny lalàna
Safidy 2 : Ampiana ao koa ireo izay voatendry amin’ny Filankevitry ny Minisitra
➯ Fandraisana anjaran’ny mpiasam-panjakana ambony amin’ny fampielezan-kevitra, ampiana ao koa ireo izay voatendry amin’ny Filankevitry ny Minisitra
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 10
30 andro sa enim-bolana ?
Safidy naseho ho dinihina
➯ 30 andro no faharetan’ny fampielezan-kevitra
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 11
Famerana ny vola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : Tsy misy fetra manokana
Safidy 2 : Ferana ny vola ampisaina amin’ny fampielezan-kevitra
➯ Tsy misy fetra manokana ny famerana ny vola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 12
Fizarana zavatra mandritra ny fampielezan-kevitra
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : Azo atao
Safidy 2 : Tsy azo atao ary misy sazy
➯ tapaka : Tsy azo atao ary maha voasazy ny fizarana mandritra ny fampielezan-kevitra (sakafo, fitaovana...)
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 13
Andro hanaovana ny latsabato
Safidy naseho ho dinihina
Safidy roa : alahady sa andavanandro
➯ Tapaka : Alahady no andro anaovana latsabato
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 14
Fampiasana kara-pifidianana amin’ny fandatsaham-bato
Safidy naseho ho dinihina
Safidy 1 : Tazonina ny fampiasana kara-pifidianana amin’ny fandatsaham-bato
Safidy 2/ : Foanana ny fampiasana kara-pifidianana amin’ny fandatsaham-bato
➯ Tazonina ny fampiasana kara-pifidianana amin’ny fandatsaham-bato
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 15
Fidiana eo amin’ny Fivoriambem-pokonolona ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 16
Taratasin-datsabato tokana no ampiasaina amin’ny fandatsaham-bato
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 17
Mandray anjara amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny olom-pirenena malagasy monina any ivelany
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 18
Ferana amin’ny fari-piadidian’ireo masoivoho na kaonsilà tena azo antoka hanaovana latsa-bato ny fisoratana anarana.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 19
Ampiharina ireo fepetra manan-kery ary hamafisina ireo toromarika momba ny fanehoana ny vokatra ampahibemaso.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 20
Fito Andro aorian’ny fandefasana ny vokatra farany avy any amin’ny SRMV no fe-potoana famoahana ny vokatra vonjimaika.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 21
Enina ambin’ny folo (16) andro aorian’ny famoahana ny vokatra vonjimaika no fe-potoana fanambaràna ofisialy ny vokatra.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 22
➯ Folo (10) andro aorian’ny famoahana ny vokatra vonjimaika no Fe-potoana hanaovana fitoriana momba ny valim-pifidianana mikasika ny vokatra.
✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 23
➯ Fahafahan’ny solontenan’ireo komity mpanohana manatrika sy manara-maso ny fikarakarana ny voka-pifidianana eny amin’ny SRMV eo anivon’ny Distrika.
➯ Famoahan’ny SRMV ny vokatry ny asan’izy ireo isan’andro ;
➯ Fahafahan’ireo solontenan’ny Komity mpanohana manao fampitahana ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana eo anivon’ny SRMV ;
➯ Famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ao anatin’ny Distrika ataon’ny SRMV ary ny fanomezana ny dika mitovy amin’izany ho an’ireo komity mpanohana.