NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY
Lakroa mandrary teny A lakroa-sée des mots Tribune d'experts Opinions Chroniques Edito

Madagasikara an'ny Malagasy

Ny fanovana dia fandiovana ny politika

Lakroa | 22 SEP 2026
Ny fanontanian’ny olona sady andrasany ary nahabe resaka dia ny « toa » fanehoana fiovana, nefa tsisy fiovana. Ary rehefa izany no mitranga dia manjary fitaovana maloto foana ny politika. Io no tsy itiavan’ny olona ny politika satria maloto. Antenaina hitondra fanarenana sy fanovana, indrisy ny olona no mifandimbindimby fa ny fanao tsy miova.

Raha samy aty ivelany mandalo dezera na tany efitra, dia hain’ny mpanao politika ny mitabataba. Fa rehefa miova ny fitondrana ka tafiditra anaty ekipa, dia manjaka ny akamakama. Ary samy mangina. Lasa fanalana azy ilay hoe « vava homana tsy afaka miteny ».

Manjary lalan’ny politika tsy misy fiovana ny « fiverimberenan-javatra eto amin’ny firenena ». Ny zavatra miverimberina anefa dia raiki-tampisaka. Ny raiki-tampisaka amintsika Malagasy dia zavatra tsy hiova, toy ny fahazaran-dratsy. Ary ny zavatra tsy miova dia maharitra. Ireo endrika efatra ireo no tsy ahafahana manova na tsy ahitana fanovana.

Efa be izay volamena naondrana antsokosoko izay. Efa be izay tratra nanondrana harem-pirenena izay. Efa be ny fanehoana amin’ny haino aman-jery fa miasa ny fanjakana ary tsy hisy avela ho afa-maina. Fa ireo « efa be » ireo dia miverimberina. Tsy vao izao ihany no nisy fitondrana naneho izany, saingy efa raiki-tampisaka na ny fanondranana sy ny filazana fa nahatratra ary ny hoe enjehina tsy hisy indrafo. Fa rahampitso, mangina ihany ireny. Efa nisy ilay volamena nivadika vongam-by, fa any izany ! Efa nisy ilay 73 kilao, fa mbola any koa izany. ity koa misy 6 kilao, fa rehefa hivoaka ny tatitra iraisam-pirenena, an-taonina ny harena hita any ivelany fa tsy an-kilao. Dia manjary raiki-tampisaka ny lainga sy ny fitaka amin’ny  politika. Ny olona no niova fa ny fanao tsy nisy fiovana.

Manjary zava-panao maharitra tsy ho amin’ny fanovana ary mety ho sakana mihitsy aza ilay fahazarana. Koa na hiresaka fanovan-drafitra isika na fanovana olona, dia ny omaly tsy miova ihany. Miverimberina ny halatra ; miverimberina ny filazana fa tratra ; miverimberina ny filazana fa tsy hisy ho afa-maina. Ireny anefa nanjavona any fotsiny, fa fanairana ivelany ihany. Manjary lalàna mibaiko ny atao ny « raiki-tampisaka » ary rehefa raikitra dia tsy misy fiovana antenaina, satria manjary maharitra ny tsy fiovana. Izany no lalàna ara-politika hifandovana; izany lalan-dririnina izany anefa no mila politikan’ny fanovana ifotony !

Raha amin’izao dingan’ny fanovana sy fanavaozana izao isika no milaza fa afaka manova nefa mbola voafatotry ny lalan-dririnina efa raiki-tampisaka ho fanao ara-politika dia tsy misy afaka hiambo ny hilaza fa misy fiovana eto. Dia izany no « mamita-tena, ary tsy ao amintsika ny marina ». Koa mbola ho lavitra ny fanovana isika hatreto satria mamorona lalàna mangeja ny firenena anaty tsy fiovana maharitra ary mamela ratra ho raiki-tampisaka. Izany lalàna vaovao izany no azo takarina amin’ny zavatra miverimberina nefa tsy vaovao velively.

Mbola hitombo indray ve ny fotoanan’ny Rafotsibe kendam-bomanga ? Sa mba ho lalam-piainan’ny manam-panahy ny finiavana hanova ho soa ho an’ny daholo be !


Dans la meme rubrique

▶ Fanarenana ifotony
▶ Mba tsy ho diso paika ny Malagasy
▶ La menace d’une nouvelle crise économique après la crise politique de septembre 2025
▶ La paix des braves
▶ Ny fanovana dia fandiovana ny politika
▶ Repoblika 14 oktobra 1958 hoe ?
▶ Didy folon’ny fanamarinana tranga sy vaovao
▶ Vers la confiscation du pouvoir politique

Feon'ny Lakroa




Mentions Légales | © Lakroa Media 2026