DIDY VOALOHANY
Fantaro ilay mizara ny vaovao sy mitatitra ilay tranga. Iza no miteny ? Haino vaky jery manana ny maha izy azy ve sa pejy vao niforona vao haingana ? Olona efa fanta-daza amin’ny fanehoan-kevitra fanaony ve sa manam-pahaizana ikoizana amin’ny fikarohana nataony ? Vondron’olona tsy misy mpahafantatra ve sa fikambanana malaza amin’ny asa ataony ? Inona no antony namoahany ilay vaovao? Ho an’ny tombontsoan’ny maro ve sa fitia te hizara hahazoana sitraka ? Hisintonana ny sain’ny maro amina tranga anankiray ve sa fitia te hanakorontana sy hitarika resabe ?
DIDY FAHAROA
Aza mahatokitoky foana ny vaovao sy ny tranga zarain’ny olona eny amin’ny internet sy ny tambajotran-tserasera indrindra raha olona na vondron’olona tsy fantatra no mizara izany vaovao na izany tranga izany. Fa na haino vaky jery manana ny maha izy azy, na olo-malaza na manam-pahaizana ikoizana, aza raisina ho marina avy hatrany izay vaovao avoakany eny amin’ny Internet sy ny tambajotran-tserasera.
DIDY FAHATELO
Ampifanatreho hatrany amina fijery hafa, akao fanamarinana foana amina loharanom-baovao mahaleo tena ny tranga na ny vaovao hitanao eny amin’ny Internet na ny tambajotran-tserasera. Azonao atao tsara ny mijery antontan-kevitra hafa, ny miresaka amina manam-pahaizana na olo-malaza na mpisehatra hafa mahafehy ilay vaovao na mahalala ihany koa ny momba ilay tranga.
DIDY FAHEFATRA
Tadiavo ny loharano nipoiran’ilay vaovao, zahao any am-potony mihitsy ny momba ilay tranga. Raha mbola misy irika, aleo ny tena mihitsy no mahita sy mandre (tonga amin’ilay fiteny hoe : aleo mahita toa izay itantaràna) na mahatsapa sy miaina ilay tranga fa tsy mihanona fotsiny amin’ny honohono sy ny hoe izany no tenin-dranona sy ranona.
DIDY FAHADIMY
Hamarino tsara ny daty namoahana ilay vaovao na nitaterana ilay tranga sao tranga efa ela be no sendra nivoaka indray eny amin’ny rindrim-baovaon’ny Facebook. Tadidio fa miverina mipoitra eny amin’ny tohim-baovao hitantsika mandalo amin’ny rindrintsika ny resaka efa nivoaka ela raha toa ka nisy indray nametraka fanamarihana vaovao teo ambaniny, na nisy nametraka fanehoam-pankasitrahana vaovao ihany koa.
DIDY FAHENINA
Aza raisina ho porofon’ny vaovao sy ny tranga mihitsy na ny sary na ny horonan-tsary miaraka aminy. Fantaro fa mahavita manao fahagagana tsy ampozintsika mihitsy ny Photoshop sy ny Adobe Première teo aloha ary ankehitriny ny IA, ka manova ny sary sy manamboamboatra izay fanehoana entiny. Azonao atao araka izany ny manao fikarohana ny amin’ny hoe avy aiza iny sary iny, oviana no nalaina ary iza no naka azy?
DIDY FAHAFITO
Aza entim-po rehefa sendra vaovao na tranga mahatezitra na mety mahafaly na koa mahasorena. Mba mailo hatrany amin’ireny vaovao sy tranga mety hanaitaitra ireny. Ny saina foana ihany entina mandinika sy manontany tena hoe tena izay marina tokoa ve?
DIDY FAHAVALO
Aza mionona amin’ny feon-dakolosy tokana. Mitadiava lahatsoratra hafa miresaka ilay vaovao na mitatitra ilay tranga. Ambony kokoa ny tahan’ny mety hahadiso ilay vaovao raha tsy misy mihitsy, na vitsy kokoa ny haino vaky jery hafa miresaka momba ilay vaovao na ilay tranga. Mety ho azo eritreretina ny hahamarina ilay vaovao na ilay tranga raha toa ka maromaro ireo haino vaky jery manana ny lazany sy ny maha izy azy mamoaka ilay izy.
DIDY FAHASIVY
Aza minomino foana ny vaovao na ny tranga be mpiresaka sy be mpizara eny amin’ny tambajotran- tserasera. Tsarovy fa tsy hoe be mpizara sy be mpiresaka ilay vaovao na ilay tranga dia marina izay ka azonao zaraina.
DIDY FAHAFOLO
Aza maika mizara mihitsy izay hitanao rehetra eny amin’ny Internet sy ny tambajotran-tserasera. Araho aloha ny didy sivy etsy aloha izay vao manao “partage” sy “share” na manisy “comment” sy manao “j’aime”.