NEWS DEBAT MAGAZINE FEON'NY LAKROA MPIVAHINY
Brèves Articles

Politique

Ireo fanapahan-kevitra nolaniana tamin'ny dinika fanomanana ny fifidianana, ny 9 sy 10 novambra 2026

| 13 NOV 2026
Ireto avy ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny dinika fanomanana ny fifidianana natao teny amin’ny CCI Ivato ny 09 sy 10 novambra teo. Marihina fa tahaka ireny QCM ireny ny napetraka tamin’ny mpandray anjara (QCM : Question à choix multiple, manana safidy maromaro ny mpandray anjara).

✅ FANAPAHAN-KEVITRA 01

Safidy telo no napetraka :

1. Fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny Lalàmpanorenana (tsy voalaza na tokana na maro no haroso).

2. Fifidianana filoham-pirenena.

3. Fifidianana hatomboka amin’ny Rafitra ifotony

Lany : Fitsapan-kevi-bahoaka mikasika ny Lalàmpanorenana no fifidianana hirosoana voalohany.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 02

Fotoana hanaikana ny mpifidy 1. 90 andro – 2. 120 andro

Didim-panjakana raisina 90 andro mialohan’ny andron’ny latsabato.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 03

Mikasika ny lisitra ampiasaina mandritra ny fifidianana

Safidy naseho ho dinihana :

Safidy 1 : Lisitry ny mpifidy ho faranana ny 25 aprily 2027

Safidy 2 : Misokatra ny lisitry ny mpifidy ary faranana tanteraka 60 andro mialohan’ny latsabato

➯ Misokatra ny lisitry ny mpifidy ary faranana tanteraka 60 andro mialohan’ny latsabato.

Safidy 3 : Foanana ny fahafahana manao fanitsiana amin’ny alalan’ny didim-pitsarana aorian’ny famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy (valiny andrasana Eny sa Tsia).

➯ ENY : Foanana ny fahafahana manao fanitsiana amin’ny alalan’ny didim-pitsarana aorian’ny famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 04

Famoahana ny lisitry ny mpifidy sy fanamarinana ataon’ny mpifidy

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : Apetraka eny amin’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy, ary alefa amin’ny aterineto (internet)

Safidy 2 : atao peta-drindrina any amin’ny fokontany ny lisitra

Safidy 3 : Vakiana ampahibemaso ao amin’ny fivoriambem-pokonolona ny lisitry ny mpifidy

➯ Apetraka eny amin’ny fokontany ny lisitry ny mpifidy, ho vakiana ampahibemaso eo amin’ny Fivoriambem-pokonolona, atao peta-drindrina ary halefa amin’ny aterineto.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 05

Fandraisana anjara amin’ny fampahafantarana ny volavolan-dalàmpanorenana (vulgarisation)

Safidy naseho ho dinihina :

Safidy 1 : Andraikitry ny rafi-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena ary ny antoko politika

Safidy 2 : Andraikitry ny rafi-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena

➯ Andraikitry ny rafi-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena ary ny antoko politika ny fandraisana anjara amin’ny fampahafantarana ny volavolan-dalampanorenana.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 06

Fandraisana anjara amin’ny fampielezan-kevitra

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny firaisamonim-pirenena

Safidy 2 : Tsy mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny firaisamonim-pirenena

➯ Tsy mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny firaisamonim-pirenena.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 07

Isan’ny komity mpanohana

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : Iray isaky ny safidy

Safidy 2 : Telo (3) raha betsaka indrindra isaky ny safidy ny isan’ny komity mpanohana.

➯ Telo (3) raha betsaka indrindra isaky ny safidy ny isan’ny komity mpanohana.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 08

Fampiasana fitaovam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : Mijanona amin’ny lalàna ankehitriny : toerana, fiara, fanaka

Safidy 2 : Hamafisina ny lalàna famaizana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovam-panjakana sy fampiharana ireo sazy.

➯ Hamafisina ny lalàna famaizana mahakasika ny fampiasana ireo fitaovam-panjakana sy fampiharana ireo sazy.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 09-A

Fandraisana anjaran’ny mpiasam-panjakana tsotra amin’ny fampielezan-kevitra

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : Tazomina ny lalàna manan-kery

Safidy 2 : Tsy mandray anjara ny mpiasam-panjakana rehetra na inona na inona antony

➯ Mahazo mandray anjara amin’ny fampielezan-kevitra ny mpiasam-panjakana tsotra.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 09-B

Fandraisana anjaran’ny mpiasam-panjakana ambony amin’ny fampielezan-kevitra

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : Mijanona amin’izay voalazan’ny lalàna

Safidy 2 : Ampiana ao koa ireo izay voatendry amin’ny Filankevitry ny Minisitra

➯ Fandraisana anjaran’ny mpiasam-panjakana ambony amin’ny fampielezan-kevitra, ampiana ao koa ireo izay voatendry amin’ny Filankevitry ny Minisitra

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 10

30 andro sa enim-bolana ?

Safidy naseho ho dinihina

➯ 30 andro no faharetan’ny fampielezan-kevitra

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 11

Famerana ny vola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : Tsy misy fetra manokana

Safidy 2 : Ferana ny vola ampisaina amin’ny fampielezan-kevitra

➯ Tsy misy fetra manokana ny famerana ny vola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 12

Fizarana zavatra mandritra ny fampielezan-kevitra

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : Azo atao

Safidy 2 : Tsy azo atao ary misy sazy

➯ tapaka : Tsy azo atao ary maha voasazy ny fizarana mandritra ny fampielezan-kevitra (sakafo, fitaovana...)

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 13

Andro hanaovana ny latsabato

Safidy naseho ho dinihina

Safidy roa : alahady sa andavanandro

➯ Tapaka : Alahady no andro anaovana latsabato

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 14

Fampiasana kara-pifidianana amin’ny fandatsaham-bato

Safidy naseho ho dinihina

Safidy 1 : Tazonina ny fampiasana kara-pifidianana amin’ny fandatsaham-bato

Safidy 2/ : Foanana ny fampiasana kara-pifidianana amin’ny fandatsaham-bato

➯ Tazonina ny fampiasana kara-pifidianana amin’ny fandatsaham-bato

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 15

Fidiana eo amin’ny Fivoriambem-pokonolona ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 16

Taratasin-datsabato tokana no ampiasaina amin’ny fandatsaham-bato

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 17

Mandray anjara amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny olom-pirenena malagasy monina any ivelany

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 18

Ferana amin’ny fari-piadidian’ireo masoivoho na kaonsilà tena azo antoka hanaovana latsa-bato ny fisoratana anarana.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 19

Ampiharina ireo fepetra manan-kery ary hamafisina ireo toromarika momba ny fanehoana ny vokatra ampahibemaso.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 20

Fito Andro aorian’ny fandefasana ny vokatra farany avy any amin’ny SRMV no fe-potoana famoahana ny vokatra vonjimaika.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 21

Enina ambin’ny folo (16) andro aorian’ny famoahana ny vokatra vonjimaika no fe-potoana fanambaràna ofisialy ny vokatra.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 22

➯ Folo (10) andro aorian’ny famoahana ny vokatra vonjimaika no Fe-potoana hanaovana fitoriana momba ny valim-pifidianana mikasika ny vokatra.

 

✅ FANAPAHAN-KEVITRA FAHA 23

➯ Fahafahan’ny solontenan’ireo komity mpanohana manatrika sy manara-maso ny fikarakarana ny voka-pifidianana eny amin’ny SRMV eo anivon’ny Distrika.

➯ Famoahan’ny SRMV ny vokatry ny asan’izy ireo isan’andro ;

➯ Fahafahan’ireo solontenan’ny Komity mpanohana manao fampitahana ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana eo anivon’ny SRMV ;

➯ Famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ao anatin’ny Distrika ataon’ny SRMV ary ny fanomezana ny dika mitovy amin’izany ho an’ireo komity mpanohana.


Dans la meme rubrique

▶ La balade du prédateur heureux
▶ Fikaonan-doham-pirenena sy dinika ho an’ny fifidianana
▶ Fidiran’ny mpianatra 2026 – 2027
▶ Importation de riz et information
▶ FC Rouge s’arrête et CFFA continue
▶ Mitandrina amin'ny fampiasana
▶ Ho any New York ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika
▶ ‎Fahadiovan'ny helika
▶ Tsy maintsy hanadinana amin’ny Bepc ny Taranja Anglisy
▶ 17 septembre : Une commémoration en mode cacophonie
▶ Azo eritreretina ve ny hisian’ny taksibe natokana ho an’ny mpianatra?
▶ Efa miasa ny Gara Amoronankona
▶ Mandry fahalemana ve ny tanàna ?
▶ Les silences révélateurs du PAN
▶ La FMF clôt le dossier Boucher
▶ Amoronakona sy ny ambaran’ny anarany
▶ Olona am-polony maro no maty any Ifanadiana
▶ Mbola avy any Ifanadiana ihany
▶ Ahetsiketseho ny vatana
▶ Tsy mampisondrotra ny fahazarana mividy zavatra amoron-dalana
▶ Andro tsy hiasana ny 25 septambra 2026
▶ Affaire Boeing 777 : renvoi de l’affaire au 27 octobre
▶ Lavo i Maître Kira
▶ Fihaonan’ny FFRM sy ny diaspora any Amerika Avaratra
▶ Resy 1-2 ny Barea
▶ RDB : 30 taona nitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanasoavana ny fiarahamonina
▶ Histoire des 49 Indonésiens, lue dans la presse
▶ Delta Force et le démantèlement d’un réseau de tricheurs
▶ Fanazavana momba ny Delta Force
▶ Déballage par Haingo Ravatomanga
▶ L'Haltérophilie au firmament
▶ Tsiahin’ny fanambaran’ny miaramila ny 11 oktobra 2025
▶ Trois judokates avec un parcours éclair.
▶ Cadeau d’anniversaire : Mamy Ravatomanga reste en prison.
▶ Manome fahafaham-po ny mpanjifa
▶ Miara-miomana amin’ny loza mety hitranga Ambatovy sy ny BNGRC
▶ Un milliard ariary de dommages et intérêts et 4 ans de prison
▶ Extradition de Vida Loca vers Madagascar
▶ Macky Sall retire sa candidature
▶ Zigle grand absent au mondial de Pétanque 2026
▶ Brouhaha et interférences médiatiques
▶ Au Brésil, Lula sort vainqueur sur le fil
▶ Enfin les Malagasy, amateurs de foot, exultent
▶ King Harry et Queen Alexia sur le trône.
▶ Comprendre le vote du Ballon d’Or
▶ Benyamin Netanyahou viré ?
▶ On ne badine pas avec Mao
▶ Russie-Afrique : les grandes lignes de ce troisième sommet
▶ Troisième transfert ver la Chine, de Chinois condamnés
▶ JOJ 2026 : première historique en Afrique
▶ Un soupçon de chinoiserie
▶ Que rapporte le PRRM de Moscou ?
▶ Consultation nationale en vue de la préparation des élections : discours divergents
▶ Ireo fanapahan-kevitra nolaniana tamin'ny dinika fanomanana ny fifidianana, ny 9 sy 10 novambra 2026
▶ Les différents pays organisant un sommet avec l'Afrique
▶ Le mondoraid du PRRM
▶ Mamy Ravatomanga effectue une énième tentative

Feon'ny Lakroa




Mentions Légales | © Lakroa Media 2026